Politique

Afera diplaoma sandoka Havoaka ny fonja ireo voampanga ?


  • Talata 13 Oktobra 2015

Mivoatra ny raharaha manodidina ilay aferana diplaoma sandoka nampidoboka am-ponja lehilahy miisa telo nanomboka tamin’ny 24 septambra 2015 ary nanafahana vonjimaika vehivavy iray, araka ny didy savaranonando navoakan’ny Fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Chaine pénale anti-corruption) etsy 67ha.

 Re izao fa misy mpitsara miasa eto Antananarivo sy Toamasina misisika mafy, manao fanelanelanana hanafahana madiodio azy ireo. Tonga hatramin’ny hoe “tsy maintsy afakay ireo” mihitsy aza ny resaka.

Fisandohana diplaoma sy fanaovana hosoka mba hisondrotana amin’ny asa sy hahazoana tombontsoa no vesatra nanenjehana azy efatra ireo. Tale eo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy ny iray. Nilaza ho manana diplaoma “Master I” na “licence” izy mba hisokajiana azy ho mpiasam-panjakana sokajy faha-8. Mpiasa tsotra tao amin’io minisitera io ihany ny faharoa, nampiasa maripahaizana Bacc+2 sandoka mba ho tonga teknisianina ambony tao. Lehiben’ny sampandraharaham-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana ny fahatelo, milaza ho manana diplaoma DEA tany amin’ny oniversiten’i Toliara tamin’ny 2008, nefa hosoka rehefa nataon’ny Bianco ny fanadihadiana. Voarohirohy koa ramatoa vadiny izay mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, saingy nahazo fahafahana vonjimaika.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT