Politique

Afa-baraka indray ny fitondrana HVM Nivadika ho korontana ny fizaram-bary


  • Talata 15 Mey 2018

Rehefa tsy mety izay ny atao dia tsy mety. Nivadika ho korontana sy sakoroka miendrika fandrobana ny fizarana ireo vary sy menaka avy amin’ny filoham-pirenena mivady teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina omaly tamin’ilay lanonana fanokafana ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

 

Tamin’ny fotoana naha teo an-toerana ny filoha ihany no hita nilamina ny fizarana ilay harona nisy vary, menaka sy voamaina. Rehefa lasa ny filoha Rajaonarimampianina sy Ramatoa vadiny sy ireo manampahefana isan-tsokajiny, dia nikorontana tanteraka tao an-trano. Tsy fantatra mazava izay mpizara, tsy hay intsony ny mpandamina fa dia samy nanao izay saim-pantany ireo olona tonga teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ka nisy mihitsy ireo nibata gony, tao ny gony norovitina niparitaka tamin’ny tany ny vary ka nifandrombahana ny fandraofana azy. Nitohy hatrety ivelany ny ankisintona, nisy mihitsy no rafitr’ady. Nampatsiahy ny zava-nisy tamin’ny 26 janoary 2009 ny sary hita teny Mahamasina io omaly io. Nibaribary indray mandeha indray ny tsy fahaizan’ny fitondrana HVM mitantana sy mandamin-javatra. Ny mpitandro ny filaminana amin’io nitazam-potsiny fa angamba efa lasa zatra mitazana ny mpanao grevy na koa tsy misy mpibaiko intsony. Tsy vitan’izay fa mbola maro be ireo olona nohafarana avy any amin’ny kaominina manodidina an’Antananarivo mba hampitombo isa ny mpanatrika ny lanonana no tsy tafiditra, ka velon-taraina tety ivelany, kanefa nisy zaza amam-behivavy sy zokiolona. Samy nampanantenaina fa hoe hizarana vary sy menaka raha ny fitantaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Fanararaotana ny fahasahiranan’ny Malagasy sady fanaovana tsinontsinona ny vahoaka izao, hoy ireo nanatri-maso ary tena manalabaraka eo imason’ireo mpiara-miombon’antoka mpanohana ny hetsika. Nifanandrify indrindra tamin’ny andro Afrikanina fanaovam-baksiny mantsy ity lanonam-panokafana ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, nivadika ho savorovoro ity. Miantso fitoniana ny filoham-pirenena kanefa ny zavatra ataony miaraka amin’ireo izay miara-miasa akaiky aminy aza mitarika korontana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT