Nambaran’ny mpitondra tenin’ireo depiote Mapar lazaina fa nandika ny lalŕna nifampifehezana, ny depiote Randrianasolo Nicolas ny zoma teo.
Eo am-piandrasana ny valin’ny fangatahan’ny Mapar tarihan’ny depiote Razanamahasoa Christine eny amin’ny HCC hanongana azy ireo fa tsy diso mihitsy izy ireo ka tsy hiongana izany. Manatanteraka ny baiko nomena hatrany am-boalohany, hanohana ny filoha ankehitriny izahay, hoy izy, ary tsy hivaona amin’izay. “Alahelo tamin’ny tsy nanekena ny hibahanany ny toerana rehetra tao anaty fitondrana taorian’ny fandresen’ny kandidà tohanany ny an’ny ao Ambodivona ka tsy hanaiky hotarihiny hanao heloka bevava amin’ny fanonganam-panjakana tiany hitarihana anay izahay”, hoy hatrany ity depioten’i Betroka ity. Na izany aza, miandry am-pitoniana izay tapaky ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izy ireo ary vonona hanaiky izay fantany fa ho tombontsoam-pirenena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.