Fahombiazana tanteraka ny hetsiky ny 13 mey nijoroan’ny vahoaka hiady amin’ny hosoka sy kolikoly tamin’ny fifidianana, ary tsy arakaraka ny fanatsatsoana ninian’ny sasany naely fa hisy fanakorontanana ary hiteraka ra mandriaka sy faty olona mihitsy, fa dia nilamina ny rehetra.
Tonga maro be ny vahoaka na fety aza ny andro. Na niatrana vao maraina aza ny mpitandro ny filaminana, dia namela ny vahoaka niditra malalaka tao amin’ny “Parvis” anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Nisy karazana sakana tsy nahafahan’ny mpitarika niakatra ny lapihazo, kanefa nandeha ny fifandresen-dahatra rehefa tonga ireo mpitarika notarihin-dry depiote Hanitra Razafimanantsoa, ka niala moramora sy namela ny fanehoan-kevitra malalaka izy ireo tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany teo. Ny PV eny am-pelatanan’ny K25, dia mitovy lanja amin’ny nalefa eny amin’ny HCC sy ny CENI, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Ny valim-pifidianana tany amin’ny faritra faran’izay lavitra no nataon’ny CENI mialoha. Ny tany Ikalamavony, Beroroha no tonga talohan’Antananarivo. Mbola nokarakaraina satria nisy novaina na nampifamadihana, hoy izy. Hala-bato nanerana an’i Madagasikara fa tsy Antananarivo ihany. Nangatahana “confrontations” na ny fampitahana ny PV, ka ny valin-tenin’ny CENI dia ny hoe: ireo “PV scannés” ihany aloha no azo atao, izany hoe ireo mety novana sy nanaovana ny hosoka sy nikajiana ny valim-pifidianana fa tsy ny “PV reels” na ny tena izy eny am-pelatanan’ny solontenan’ny kandida satria nanana angidim-by izahay, ary manana ny PV tena izy sy tsy matahotra izany ny fampitahana ny PV, hoy izy. Endrika iray nisehoan’io hosoka tamin’ny PV io ny fanovanana isa 1 na 2 eo amin’ny isa naharesen-dRajoelina, ohatra, hoe 31 dia lasa 131, ao amin’ny PV laharana 15212. Ilay 31 no “PV Réels” fa ilay 131 kosa no “PV scannés” nikaotiana ny valim-pifidianan’ny CENI, hoy ny K25. Raha Teto Antananarivo tetsy Mahamasina aza, dia tsy navela niditra sy nampiandrasina adiny telo ny solontena ara-dalàn’ny K25 saika hijery sy hanara-maso ny fikirakiran’ny SRMV ny voka-pifidianana. Hala-bato no antony, ary niasa niaraka tamin’ny vadintany izahay, ka voaray video sy sary ny fanovana PV tao, ary tratra ambodiomby. Efa nentina any amin’ny HCC ny porofo. Eto Antananarivo aza mangalatra mainka fa any amin’ny faritra, hoy ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Efa filoha lefitry ny MAPAR aho fa efa tena tsy izy intsony ity hosoka sy halatra ity, hoy i Paul Pody. Valy bontana ho an’i Andry Rajoelina tamin’ny vava be hoe: efa zatra ady ka na inon-kidona na inon-kitranga isika tsy maintsy mandresy ny fijoroan’ny vahoaka nanao fanamby sy velirano teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey Analakely ny sabotsy 29 desambra teo. Tsy maintsy mandresy ny fahamarinana ary ho resy tosika ny ratsy satria tsy hisy hanaiky fa olona mpangala-bato, mpanao barofo, mpanao hosoka,… no hitondra ity firenena ity, hoy ny kabary teny an-kianja ary fahavononana tanteraka no nasehon’ny vahoaka. Nisy ny moa solontena maro avy any amin’ny faritany. Hitohy amin’ny alarobia 2 janoary izao, ary tena hahery vaika ny tolona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.