Tsy mihemotra eo anatrehan’ny ramatahora sy ny fampihorohoroana ary ny fampiasan-kery ny vahoaka mitaky ny fahamarinana fa hiady hatramin’ny farany amin’ny hosoka sy ny tsimatimanota tadiavina hampanjakaina eto amin’ny firenena.
Na teo aza ny herisetra natao ny mpitolona nentina nisakanana ny famoahana ny marina sy ny porofo amin’ny hosoka sy halatra ara-pifidianana, dia tsy hahasakana ny vahoaka izany fa hitohy ary vao mainka hihamafy ny tolona eny an-kianjan’ny 13 mey ka eny an-toerana indray no fotoana anio, raha ny toromariky ny mpitarika. Ho fanamafisana sy hampirindra kokoa ny tolona dia nitsangana nanomboka omaly hariva ihany ny andrimasom-pokonolona amina faritra maro eto an-drenivohitra ka hiainga amin’ireny ny fandrindrana ny tolona. Nanomboka omaly hariva ary hitohy anio ho an’izay tsy vita ny fananganana ny andrimasom-pokonolona ho an’i 67 ha, Anosibe, Ambohipo, Ambanidia, Manjakaray, Alarobia, Itaosy Ampasika, Besarety … Tsy eto Antananarivo ihany fa faritra maro eto amin’ny Nosy no efa nanomboka nihetsika omaly toa an’i Manjakandriana, Moramanga, Mahajanga … Nivory ny vahoaka nanomana fitakiana hiadiana amin’ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka niainga tamin’ny fampiasana kara-pifidianana sy kara-panondro hosoka ny vahoaka K25 tao Mahajanga omaly. Ny Depiote MAPAR roa dia nitatitra ny vato avy any amin’ny BV mankany amin’ny CENI ary nizara vola 100 000Ar ho an’ny lehiben’ny fokontany manerana an’i Mahajanga, hoy ny fampitam-baovao. Teny an-dalana no nanova ny voka-pifidianana ny depiote MAPAR ka tsy azo ekena ny fanodinkodinana safidim-bahoaka, hoy ny mpitolona any an-toerana, izay nifamory tao amin’ny Magro omaly. Efa nihaodihaody nanerana ny tanàna ny mpitandro ny filaminana. Fahamarinana no takiana ary tsy hampihemotra ny vahoaka ny fampihorohoroana sy ny herisetra fa vao mainka ho zezika hampijoro azy hiady amin’ny hosoka sy ny tsy fahamarinana hiteraka fahapotehan’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.