Nivoaka tamin’ny fahanginana ihany koa ny faran’ny herinandro teo ny Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny Fanorenana an’i Madagasikara ( VTTFM).
Mahatsapa mantsy izy ireo fa ny kolikoly no fototra mahatonga ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana eto amintsika, antony hisian’ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena. Nivondrona hanampy sy hanohana ny VTTFM hiady amin’izany ireo fikambanana miisa 50 manerana ny Nosy miampy ONG maromaro. Tanjon’ny mpikambana rehetra ny hiady amin’ny kolikoly, hetsika izay efa notarihin’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny fiarovana ny zon’olombelona, indrindra fa ny ankizy sy ny vehivavy, ny fametrahana ny tany tan-dalàna ary koa ny fikatsahana ny tombontsoan’ny daholobe hahatsara ny sosialim-bahoaka. Hiasa avy hatrany moa ity fikambanana ity manomboka izao ka hisy ny asa fanentanana sy fanabeazana ny olom-pirenena hotanterahiny manerana ny Nosy. Amin’ny alalan’ny famelabelarana arahina adihevitra no hanatanterahany izany. Mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny kosa dia miantso ny rehetra mba hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena ary hiroso amin’ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy izy ireo. Toraka izany koa ny fanatanterahana ny fifidianana madio sy milamina ary eken’ny rehetra hahafahana mivoaka ao anatin’izao krizy miverimberina izao. Marihina moa fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihan’ny Firaisaim-be Afrikanina iadiana amin’ny kolikoly amin’ity taona 2018 ity izao hetsiky ny Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny Fanorenana an’i Madagasikara izao, ao anatin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : “ny fahamarinana no manandratra ny firenena”.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.