Politique

Ady amin’ny kolikolim-pifidianana Havoaka ny sata manokana


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Ny alatsinainy 3 septambra izao no hampahafantarina etsy amin’ny foiben-toerana komitin’ny fampihavanana Malagasy na CFM ny sata manokana na “charte” mikasika ny ady atao amin’ny kolikolim-pifidianana (corruption électorale).

 

 

Araka ny fanazavana dia saika mpiara-manao sonia azy ity avokoa ireo sehatra miady amin’ny kolikoly, toy ny CNIDH, ny SAMIFIN, ny CSI, ny Bianco. Ao koa ny avy eo anivon’ny CFM sy ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Efa be ihany moa izay rafitra miady amin’ny fahalovana sy hisorohana ny tsy fahalavorariana eto amin’ny firenena sy mandritry ny fifidianana izay. Raha ny zava-misy hatramin’izao aloha dia tsy mbola hita izay hozany fa mbola miha ratsy hatrany ny taham-panaovana kolikoly eto amintsika.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT