Politique

Ady amin’ny kolikoly Nanao sonia ny governemanta


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Nanao fanekena ampahibemaso ireo mpikambana ao amin’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean fa hiady ary hitarika ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny departemanta misy azy ireo tsirairay avy.

 

 Omaly nandritra ny   filankevitry ny  governemanta teny amin’ny  lapan’i Mahazoarivo no nanaovan’ireo minisitra rehetra tonga teny an-toerana ny sonian’ny taratasy fanekena an’izany. Talohan’izay dia nisy ny tatitra fohy nataon’ny  tale jeneralin’ny birao mahaleotena  miady amin’ny  kolikoly, Andriamifidy Jean Louis, teo anatrehan’ny governemanta ka nanentanany ny minisitra tsirairay ny amin’ny fametrahana rantsan’asa  iray eo anivon’ny  minisitera tsirairay   hisahana ny ady atao amin’ny kolikoly. Anisan’ny  voaresaka tao ihany koa ny  mikasika ny fanambaram-pananana  izay tokony  hataon’ny mpitondra ambony rehetra isan-taona ka ny  Filoham-pirenena sy ny  praiminisitra, ny  minisitra sy ny solombavambahoaka  dia eny anivon’ny fitsarana avo momba ny  lalàmpanorenana no manao izany raha toa ka eny  anivon’ny Bianco kosa no manao ny azy ny  mpiasam-panjakana ambony manomboka eo amin’ny sekretera jeneraly sy ireo  tale isan-tsokajiny. Anisan’ireo fepetra takian’ny mpamatsy  vola amin’ny  mpitondra fanjakana  malagasy   hatrany  io ady amin’ny  kolikoly io ka  miezaka ny praiminisitra    mampiditra azy amin’ny  sehatra  rehetra  araka izay azo atao. Fihetsiketsehana  ivelany ihany anefa  izany ka  mety tsy hahitam-bokany raha tsy ny Bianco no  ampy fitaovana, vola enti-miasa, olona hiasa  ary ny  fahaleovantenany mba hanatanterahany ny asany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT