Politique

Ady amin’ny fanondranana andramena Mitaky fitoviana ny avy any amin’ny faritra


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Mitohy ny fanondranana andramena an-tsokosoko eto amintsika. Tapa-kevitra nanangana komity amin’izao fotoana ny raiamandreny avy amin’ny Faritany hiaro ny zanany amin’ny fanorotoroana miendrika fiampangana tsy marina.

Tsy vao izao, hoy Rakotomalala Henri na i Riribe mpitondra tenin’ny komity no nisy fanondranana andramena an-tsokosoko teto amin’ny firenena. Koa takina ny hanenjehana ireo rehetra tafiditra tamin’izany hatramin’izay. “Tokony hosamborina daholo ireo nivelona tamin’io hazo sarobidy io hatramin’ny andron’ny tetezamita, na akaiky fitondrana na tsia, hisorohana ny mizana tsindrian’ila amin’ny fampiharana ny lalàna”, hoy ihany izy. Tokony harahin’ny fitondram-panjakana maso ny fanagiazana ataon’ny sampandraharaha miandraikitra itony hazo sarobidy itony an’ireo tahirin-kazo efa nahavitan’ny tompony fanambarana tamin’ny fanjakana, hoy izy. Mila hampitovian’ny fanjakana mba hisorohana ny fifankahalana ny fandraisana andraikitra isam-paritra ny amin’ny fikirakirana ity hazo sarobidy ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT