Ankoatra ny fandanian-drora any anaty haino aman-jery, dia naparitaka nanomboka omaly indray ny trakta sy ny afisy natao hampiroaroa saim-bahoaka sy hanakiviana azy hankahala an-dRavalomanana.
Aparitaka ny sary hilazana fa manohana ny kandida faha-25 ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ary ambara fa hatao praiminisitra. Nandiso an’ireny sary niparitaka ireny ity filoha teo aloha ity, ary nanamafy fa tsy miandany na amin’iza na amin’iza amin’ny fihodinana faharoa. Nanameloka tanteraka ireny teti-dratsy ireny ihany koa ny teo anivon’ny K25. Manainga ny olon-drehetra hiara-kientana amin’ny famongorana ireo olona manaparitaka ka haka sary sy hanangona izany ary hanatitra azy eny amin’ny foiben-toerana eny Bel’Air. Efa nisy ny fepetra noraisina, hoy izy ireo. Miha lalina ny paikady maloto amin’izao hamotehana kandida iray sy hanosehana ny iray. Tany Ambalavao Fianarantsoa ihany koa dia nigafy ny fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana indray ny mpomba an’i Andry Rajoelina afak’omaly. Nesorin’izy ireo ny afisy misy ny kandida faha-25 teo amin’ny toerana hanaovana ny famoriam-bahoaka ary nosoloiny ny an’ny 13, hoy i Marie Zénaïde Lechat Ramampy izay depiote teo aloha ary mitarika ny K25. Minisitra iray vehivavy ihany koa amin’izao no voalaza misandoka ny anaran'i Monsenera Odon Mari Arsène Razanakolona. Mitety ny diosezy rehetra manerana an'Antananarivo ity minisitra ity ary manentana ny mpino katolika hifidy an'i Andry Rajoelina. Ny tena loza, hoy ny loharanom-baovao, dia sahiny mihitsy no mampiasa ny anaran'i Monsenera. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia nandà izany ny Monsenera ary nilaza fa tsy naniraka an'iza n'iza hanao izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.