Nisy omaly zoma 23 novambra ny fihaonana nokarakarain’ny Friedrich-Ebert-Stiftung ( FES) tao amin'ny Hotely Carlton Anosy.
Tao anatin'izany ny saika hanaovana adihevitra fampitahana ny politika sy ny paikadim-pampandrosoan’ny kandida filoha roa tonta, dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, saingy lasa famelabelaran-kevitra momba ny MAP2 fotsiny satria tsy tonga ny avy amin'ny MAPAR izay manana ny IEM, satria voalaza fa nanapa-kevitra ny tsy ho avy indray tamin’ny ora farany na dia efa maro aza no niandry io fifanaterahana io. Nitondra fanazavana ny Mpandrindra ankapobeny ny fampielezan-keviny Atoa Serge Zafimahova sy ny tompon’andraikitra amin’ny fifandraisana amin’ny Iraisam-pirenena Jimmy Ramiandrisoa. “Aoka hazava aloha fa ny Filoha Ravalomanana dia nanana fanetren-tena nanaiky hoe matoa izy voaongana teo amin'ny fitondrana dia nisy zavatra tsy nety tao, ary vonona hanitsy ny zavatra tsy nety. Tsy fantatro na firy na firy ny olona manana fanetren-tena manaiky hanitsy tahak'izany, hoy ny fanehoan-kevitra. Tsy niaraka taminy izahay teo aloha fa vonona hanohana azy rehefa nanaiky ka nanao sonia izy fa hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy, hametraka arofanina ny amin'izany. Efa miparitaka any rehetra any ny fanekena nataony, amin'ny teny Malagasy, Frantsay sy Anglisy. Manana “experiences” be koa izy, nahita traikefa marobe tany ivelany tany nandritra ny naha sesitany azy. Raha ny tokony ho izy dia apetraho ny programa hampandrosoana an'i Madagasikara. Momba ny trosa kosa, sarotra ny hamerenana izany raha atondraka any amin'ny « secteur non-productif » na ny sehatra tsy mamokatra daholo. Noho izany, tsy misy afa tsy ny famokarana (secteur productif), ny famoronana harena (création de richesses) ihany no hahafahantsika manilika ny trosa, mampandroso an'i Madagasikara, miady amin'ny fahantrana. « Ny olana amin'izao dia lasa mpangataka daholo isika rehetra na ny fitondram-panjakana na ny fiarahamonim-pirenenena na isika rehetra mihitsy ka lasa manana toe-tsaina mpangataka daholo fa tsy mieritreritra hamokatra. Mila apetraka noho izany ny lalam-barotra vaovao, ahafahantsika mamokatra, mba hiady amin'ny fahantrana sy hampakatra ny sandambolantsika, hoy ny fanazavany. Mila fahaizana ny mifampiraharaha amin'ny mpamatsy vola, ary i Marc Ravalomanana dia fantatsika fa nahavita namafa trosa tamin'ny androny. “Koa inona no tsy hahafahantsika mandresy lahatra sy mifampiraharaha (négociation) an'izany indray ?”, hoy izy. Voaporofo fa olon’ny fihavanana sy ny fampiombonana i Marc Ravalomanana satria ny Kolonely Josoa, “ancien RESEP” sy “ancien REGAP”, mpiandry ny filoha Ratsiraka, tratra babon'ireo Zanadambo tany akaikin'i Brickaville, lasibatry ny 2002 no mitarika ny Komity mpanohana ny kandida Ravalomanana. Ry Kolonely Charles Andrianasoavina (2009) sy Coutiti (2002) dia efa miresaka amin'i Marc Ravalomanana avokoa. Misy koa ireo miaramila am-perinasa niaraka tamin'ny Jeneraly Andrianafidisoa, nandeha nitsoa-ponenana teo aloha, no efa miara-dia aminy. Koa aoka tsy isika indray no andeha handrehitra afo amin'ny resaka "miaramila izao sy miaramila côtiers" izany satria efa lany andro io resaka io raha mikasika ny Filoha Ravalomanana sy ny fifandraisany amin'ny miaramila, Izaho Serge Zafimahova no miteny anareo an'izany, hoy izy manadio ny sain’ny rehetra eo anatrehan’ny fivoizana fampisaraham-bazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.