Politique

A.Rajoelina – H.Rajaonarimampianina Tsy fampitaha amin’i Marc Ravalomanana


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Sokajiana ho kandida matanjaka ao anatin’izao fifidianana izao ireo mpitondra telo nifanesy, dia i Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, ary i Hery Rajaonarimampianina.

 

Mitovy fa tsy sahala satria samy manana ny fahalemeny sy zava-bitany, ary milaza ny tenany ho nampandroso firenena, ary samy miteny ho tia tanindrazana. Ny laharampahamehana tamin’ny asa natao sy ny fiantraikany tamin’ny Malagasy no azo hamaritana sy hampitahana ny tsirairay. Nanao làlana i Marc Ravalomanana, ary nahavita 10 000 km latsaka kely tao anatin’ny 7 taona. Tsy nataony ambanin-javatra ny fampianarana ny zaza Malagasy, ka ambony ny taham-pidirana an-tsekoly, novatsiana fitaovana samihafa ny zaza, tsy nisy ny olan’ny mpanabe tahaka ny ankehitriny. Tafiakatra 72% ny taham-pankasitrahan’ny vahoaka ny fitsinjovan’ny fanjakana ny resaka fampianarana, raha toa nitotongana 33% tamin’ny 2013, ary 54% kosa ny 2017, araka ny tatitry ny Afrôbaromètre. Hopitaly sy Coliseum kosa no tena nimasoan-dRajoelina tao anatin’ny dimy taona, raha toa ka isan’ny niavaka tamin’ny zavatra nimasoan’i Hery Rajaonarimampianina ny resaka angovo, toy ny toby famatsiana herinaratra. Raha jerena ireo, dia manana tombondahiny kokoa i Marc Ravalomanana arahin-dRajaonarimampianina tamin’ny resaka fampandrosoana, raha toa ka niezaka nametraka marika hahatsiarovana ny anarany fotsiny Rajoelina. Raha resaka fitiavan-tanindrazana, dia i Marc Ravalomanana no mandresy lahatra indrindra ary ny tsy fanekeny ny fanjakazakan'ny frantsay no nanonganana azy. I Andry Rajoelina no tsy tia tanindrazana indrindra na inona na inona ambarany satria nanaiky nampiasain'ny Frantsay nanongam-panjakana. Tena manana fototra politika, ary tsy mividy vahoaka hifidy, fa olona resy lahatra ara-potokevitra no mpanara-dia an-dRavalomanana. Nezahina nofinganina teo amin’ny resaka serasera i Marc Ravalomanana, raha toa hatry ny ela no nampiasa volabe amin’izany serasera izany hanadiovan-tena ny sasany. Raha ny tantara sy ny nafitsoky ny mpanongam-panjakana teto amin’ny firenena anefa, dia efa manaporofo fa poakaty sy maivan-danja ary famitaham-bahoaka hatrany no asesiny.

Toky R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT