Tsy mbola manana ny fahaizamanao ara-politika ny antokon’ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana, ka tsy mahagaga raha tonga aminy ny aretin’ny fisamatsamahana. Efa ela no nisy ny disadisa teo amin’ireo samy mpitarika ny HVM any Alaotra saingy tamin’ity herinandro ity vao vaky bantsilana ny raharaha.
Efa misy ny olona voatondron’ny foibe hanitatra ny antoko any Alaotra kanefa manao be fiavy ny tarik’ingahy solombavambahoaka ka nahasorena iretsy manana ny taratasy fanendrena.
Samy te ho lohany
Mahatsapa ireo efa voatondro ho mpandrindra ny HVM Alaotra fa atao tsinontsinona sy tsy asiana hasiny. Nampipoaka ny disadisa ny fivoriana nokarakarain’ny solombavambahoaka ny talata hariva teo. Tokony ho teny ierana no hanatanterahana an’io, hoy ny iray amin’ny mpandrindra ny HVM fa tsy izay tian’ny solombavambahoaka no ataony. Izahay tsy ho any, hoy izy ireo fa aleo hataony ao ny azy. Vaky, araka izany, ny ady eo amin’ny samy mpitarika ny HVM any Alaotra ary dia misavoritaka manaraka izay koa ireo mpikambana. Tsy takona afenina intsony ny olana misy eo amin’ity antokon’ny fitondrana ity izay toa manambara sahady fa tsy haharitra dia ho rava. Mampatsiahy ny nahazo ny antoko TIM tamin’ny taona 2007 izay nitarika ny fahalemen’ny fitondrana izao zava-mahazo ny HVM ankehitriny izao, 8 volana monja nitantanan’i Hery Rajaonarimampianina ny firenena.
Ho sahirana amin’ny fifidianana
Tsy any amin’ny faritr’Alaotra ihany no isehoan’ity disadisa eo amin’ny mpikambana HVM ity fa any amina faritra maro manerana ny nosy. Tsy dia atao mahagaga ihany moa ilay izy satria na ireo mpitantana eto an-drenivohitra aza dia samy manana ny fomba fijeriny, samy manao izay saim-pantany ihany koa ireo mpanolotsaina ny filoham-pirenena, samy te ho lehibe ireo nomena andraikitra hampandeha ny antoko HVM. Vokany, raikitra ny ady seza sy ady voninahitra, mikatso ny fiainan’ny antoko ary mampatahotra ny hoavy politikany. Maro no mahita fa tena ho sahirana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy eo ny HVM, ary mety noho io olana anatin’ny antoko eo amin’ny fitondrana io mihitsy aza no hampihemorana ilay fifidianan ho amin’ny herintaona. Araka ny tsiliantsofina re ihany koa dia miteny mihitsy ny vola ao anatin’ity antokon’ny fitondrana ity, ka izay no antony mampiady ny samy mpikambana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.