Politique

7 febroary teny Ambohitsorohitra Nanadio tena indray Rajoelina


  • Zoma 08 Febroary 2019

Tsy afaka ato an-tsaina hatramin’ny andro androany ny endrik’ireo tanora lavo sy naratra, hoy i Andry Rajoelina omaly tamin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny raharaha 7 febroary teny Ambohitsorohitra.

 

 

 

Tsy ekena intsony mandrakizay mandrakizay ny fisian’ny toe-javatra tahaka ireny nandatsahana ny ain’ny mpiray tanindrazana. Hanafarana taranaka ny tsy hisian’ny fandripahana ny Malagasy tahaka azy na inona na inona hevitra tsy mitovy. Izay indrindra no antony nandeferako tamin’ny taona 2013, tsy nilatsaka hofidiana tamin’izany mba tsy hisian’ny fifandonana sy ny ra latsaka intsony. Ny tantara kosa dia manabaribary teti-dratsy amin’ny fikotrehana fanasoketana ny mpitondra tamin’izany na inona na inona holazain-dRajoelina. Tsy ho raraka an-tany ny aina nafoy sy ny tolona rehetra natao. Hatao modely amin’ny fandrosoana i Madagasikara, hoy izy. Tsy te ho tompon’andraikitra amin’ny zava-niseho i Andry Rajoelina, ary toa famadihana ny tantara no betsaka tamin’ny zava-niseho omaly. Nandeha hatramin’ny famendrofendroana sy fampisehoana miendrika “kifatifaty”, nitanisana ny anaran’ireo maty niisa 48 sy ny seho an-tsehatra nifandraika tamin’izany. Ny haizin’ny rahona, ny zavona, niainantsika sy nolalovan’ity firenena ity, dia atao toy ny lasa fa ny ho avy no banjinina. Tonga ny fotoana hanavotantsika, ka tsy maintsy ho avotra. Misy firenena nandalo zavatra sarotra noho isika, tahaka ny Rwanda tamin’ny ady mahery vaika tamin’ny 1994, fa ankehitriny dia firenena mandroso indrindra aty Afrika, hoy izy. Mbola nanamafy i Andry Rajoelina fa ny asa tsy nataon’ny mpitondra rehetra nifanesy, dia hataony. Afaka 5 taona dia mahasahy milaza amintsika fa ho reharehan’ny Malagasy tsivakivolo, hoy izy. Ny tena zava-niseho teto amin’ny firenena kosa, dia ny famotehana tsy vitan’ny mpitondra nifanesy teto hatrizay no vitan-dRajoelina tamin’ny 2009 indray nipoaka. Niteny ny tarehimarika rehetra, narahin’ny sazy iraisam-pirenena. Nisy ny zavatra iray nampiavaka ny omaly nampisehoana ny tovovavy iray vao  13 taona tamin’ny 2009 no maty tamin’ireny ny rainy. Ny zavatra hodian-dRajoelina tsy fantatra sy tiany hokosehina, dia maro ny fiainan’olona potika noho ny nataony tamin’ny 2009. Tsy tambo isaina ny olona maty tamin’ny fandrobana sy fandorana, raha tsy hilaza afa tsy ny tao amin’ny “Trading center” Analakely. Maro ny orinasa may sy nikatona ary fiainana Malagasy ana hetsiny no potika.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT