Efatra taona katroka rahampitso alahady 14 oktobra no nisehoan’i Marc Ravalomanana vahoaka voalohany taorian’ny fiverenany an-tanindrazana rehefa voatery nanao sesitany ny tenany tany Afrika Atsimo taorian’ny fanonganam-panjankana ny taona 2009.
Tsaroana tsara ny teniny tamin’izany fotoana izany hoe vao mangiran-dratsy dia nijery ny tanàna ary vonton’alahelo raha nahita ny fahapotehan’ny tanindrazana. Tsy tongatonga ho azy ny nahatafaverenany teto, ary misitery mandrak’androany. Mafy sy mahery anefa i Marc Ravalomanana matoa mbola tafaverina an-tanindrazana, ary manana ny herijika be indrindra hiverina ho filoham-pirenena amin’izao fotoana. Ny taona 2013, dia efa natahorana mafy ny tenany, ary izany no nahatonga ny « ni…ni… » raha ny nambaran-dRamatoa Onitiana Realy vao tsy ela akory izay. Raha ny voka-pifidianana tamin’ny taona 2013, dia 21,16% (949.937 vato) no azon'i Jean Louis Robinson ary 15,85% (511.734) tamin’ny fihodinana voalohany. Nahazo 53,49% (2.060.124 vato) kosa Rajaorimampianina tamin’ny fihodinana faharoa ary 46,51% (1.791.336 vato) ny an’i Jean Louis Robinson. Midika izany fa mafy i Marc Ravalomanana, izay nanome toromarika ny hifidianana an’ity farany na dia tsy afa-nanao propagandy aza fa sesitany tany ampitan-dranomasina. Tonga izao ny fotoana satria i Marc Ravalomanana mivantana no kandida, ary manao fampielezan-kevitra ho an’ny tenany. Voaporofo fa kandidam-bahoaka satria io iaraha-mahita io hoe na aiza na aiza aleha, dia rakotra vahoaka hatrany, ary tsy olona tambazam-bola fa tena olona resy lahatra. Andro faha-5 tamin’ny propagandy omaly, ary izay toerana rehetra nalehan’i Marc Ravalomanana dia rakotra vahoaka resy lahatra sy vonona hampandresy azy. Niainga tany Mahajanga, Port Berger, Ambanja, Nosy Be, Antsohihy, Bealalana, Befandriana Avaratra, Analalava. Nitohy tany Mandritsara, Amboahangibe, Sambava, Doany, Marofinaritra, Andapa, Antalaha…izay samy any amin’iny ilany avaratry ny nosy iny ny tenany omaly, ary vahoaka tsy tambo isaina hatrany no nandray azy. Faly tena faly aho tonga eto Sambava. Fantatro ny olana goavana dia ny tsy fandriampahalemana iainanareo eto. Hataoko laharam-pahamehana ny hampandry fahalemana anareo. Anisan'ny vina voasoratra anatin'ny Manifesto ihany koa ny hampitombo ny fidiram-bola sy ny fahefa-mividin'ny Malagasy, ny fitsaboana, ny fampianarana, ny fananganana fotodrafitrasa, hoy i Marc Ravalomanana tany Andapa. Hamerina ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny mpitondra amin'ny fametrahana fanjakana tan-dalàna sy ny ady amin'ny kolikoly no asa goavana miandry antsika.
Hiaro sy hanatsara ny tontolo iainana dia ny ady amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena voajanahary, hoy kosa ny ampahan-teniny tany Antalaha. Resy lahatra ny rehetra ary manohana ankitsim-po an’i Marc Ravalomanana tsy misy tambiny. Raha ny fandaharam-potoana kosa ho an’ny anio eto Antananarivo, dia hisy ny diabe mianga eny amin’ny Foiben-toerana eny Bel’air Ampandrana. Hihazo an’i Moramanga kosa Rtoa Lalao Ravalomanana, ka hotsenaina amin’ny fomba manetriketrika eny Marozevo. Hisy ny hetsika goavana ao an-tanànan’i Moramanga, arahin’ny fihaonana hisian’ny fifanomezana toromarika ao amin’ny Hotely Bezanozano.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.