Politique

26 jona tany Toliara Niavaka ny matso, nisongadina ny fikambanana TOMIRA


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Na dia somary nangigina tamin’ny ankapobeny ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona dia nanao fety am-pilaminana ny vahoakan’i Toliara. Toy ny isan-taona, nandray anjara navitrika tamin’ny matso filaharana avokoa ireo herivelona rehetra misy ao Toliara,

 

 toy ny antoko politika sy fikambanana samihafa, mpianatra, mpanao fanatanjahantena, orinasa ... raha nanokatra ny matso tamin’ny dia mirindra ireo mpitandro ny filaminana. Niavaka kosa tamin’ireo nandray anjara tamin’ny filaharana ny nataon’ny fikambanana mpanao asa soa sosialy TOMIRA na Toliara Miharo raike, notarihan’Atoa Dédé Vita Sidison, mpandraharaha ara-toekarena sady kandidà ben’ny tanàna tsy miankina ao Toliara renivohitra.

Olona 41 notolorana mari-boninahitra

Vaky vava ny rehetra nanatrika ny lanonana ny zoma teo, hatramin’ny HVM sy olom-panjakana maro, fa maherin’ny 1,5 km ny halavan’ny filaharan’ireo vehivavy TOMIRA naneho firaisankina mampivoitra hatrany ny « esprit rassembleur ». Anisan’ny nanamarika ny andron’ny 26 jona teo ihany koa ny fizarana mari-boninahitra ho an’ireo olona 41 nahavita be ho an’ny firenena. Nahazo « chevalier de l’ ordre national » noho ny asa vitany, Atoa Vahinisoa Alain, mpandraharaha ara-toekarena tanora, tompon’ny orinasa SAMS BTP nanamboatra ny fefiloha Fiherena, miaro ny tanànan’i Toliara tsy ho fefiky ny rano.

Eric R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT