Azo omena ny anarana taonan’ny fifidianana ao Afrika ity taona 2015 ity satria dia 447 tapitrisa, izany hoe ny antsasaky ny vahoaka no ho tonga hifidy na filoham-pirenena na solombavabahoaka na loholona, nefa dia tany 12 no hanatanterahana izany.
Vonona hanohana ny demokrasia, ny fahaizana mitantana sy ny zon’olombelona i Etazonia ka ny azy dia ny fisian’ny fifidianana malalaka sy madio, eo koa ny fanohanana ny fiarahamonim-pirenena amin’ny alalan’ny YALI (young africans leaders iniative) hahafahan’izy ireo manangana rafi-panjakana demokratika hanosehan’ny fivoarana ara-ekonomika, ny fiaraha-miasa hampiroboroboana ny tsara tantana ohatra ny millenium challenge account hanakelezana ny fahantrana, fitazomana ny tany tan-dalàna sy zon’olombelona na ao anatin’ny tsy fitovizana aza. « Amin’ny maha filoha aho no hilazako fa vonona ho mpiara-miombon’antoka maharitra amin’ny fahatafitan’i Afrika i Etazonia », hoy ny filoha Barack Obama tamin’ny 2014.
RHR/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.