20 mey 2015, feno 5 taona anio ny nanakatonan’ny FAT ny Radio Fahazavana niaraka tamin’ny fanagadrana ireo mpiasa 10 mianadahy nanatanteraka ny asa fampahalalam-baovao nanoloana ny hetsika fitakiana nataon’ireo zandary teny
amin’ny FIGN Fort-Duchesne izay niafara tamin’ny fanafihan’ny Emmoreg sy ny FIS ity tobin’ny zandarimariam-pirenena ity. Notazonina 8 andro tao amin’ny Brigade Criminelle, nampiakarina fampanoavana amin’ny andro hariva ary nampidirina ny fonjan’Antanimora tamin’ny alina no zava-nanjo an’ireto mpanao gazety sy teknisianina ireto. Naharitra 110 andro ihany koa ny fijanonan’izy ireo tany an-tranomaizina. Anisan’ny niaina izany Ranaivo Josiane sy Raveloarison Philémon.
Nisy akony teo amin’ny fampahalalam-baovao
Nanamarika an-dRanaivo Josiane, talen’ny famoahan’ny onjam-peo tamin’izany ny firotoroton’ny zava-nisy nanomboka ny harivan’ny 20 mey 2010. Fisamborana, fitazonana tao amin’ny «violon», fampiakarana fampanoavana izay niafara tamin’ny fanagadrana. Tsy adinony ihany koa ny nampiarahana toerana azy ireo tamin’ireo karazana olon-dratsy sy olo-meloka teny Antanimora. Mahita kosa anefa ny tenany fa nisy akony tsara teo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny nanjo azy ireo tamin’ny taona 2010. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena isika mpikirakira vaovao, hoy Ranaivo Josiane. Andraikitra goavana takiana amin’izany ny famoahana ny marina sy ny filazana ny tsy rariny hita eo anivon’ny fiarahamonina.
Hamoaka boky
Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna tsikaritro sy hitako, hoy Raveloarison Philémon. Manaporofo izany ny fitazomana anay nandritra ny herinandro mahery tao amin’ny Brigade Criminelle. Tsizarizary ny fepetra fandraisana tao : feno moka ny efitra, hazo no nandriana, tsy afaka novangiana. Torak’izany ihany koa ny teny anivon’ny fampanoavana izay hita ho nahazo tsindry sy baiko tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny. Tany am-ponja indray izahay dia narahi-maso tahaka ireny olo-meloka sy olon-dratsy atahorana ireny. Tsy nampoiziko hahazo ahy eo amin’ny fiainako ny hoe hiditra any an-tranomaizina izany. Raha tsorina dia tranga iray maneho ny tsy fanajana ny zon’olombelona nampiharin’ny manampahefana tamin’izany ny nanjo anay. Azoko ambara fa tena fahadisoana bevava izany hoe managadra mpanao gazety izany. Nampifangaroan’ny mpitondra tetezamita rahateo ny resaka politika sy ny fitrandraham-baovao. Alahelo sy traikefa tena ratsy teo amin’ny ampaham-piainan-dRaveloarison Philémon tiany hozaraina amin’ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny boky iny sedra nolalovany iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.