Politique

“1er tour dia vita” Tsy azo eritreretina intsony


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Mitarazoka hatrany ny famoahana voka-pifidianana eo anivon`ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI).

 

 

Raha ny vaovao farany azo teo amin`ny voka-pifidianana dia elanelana kely no misy eo amin`ny kandidà mitondra ny laharana 13 sy 25 fa ny antoko HVM kosa dia miakatra hatrany. Ity voka-pifidianana ity dia eo amin`ny birao fandatsaham-bato 15 000 eo ho eo. Mbola miandry ny fikirakirana hatramin`ny farany ireo  antontan-taratasy P.V na fitanana an-tsoratra. Na dia izany, mivoatra ny raharaha ary tsy dia miova aloha ny fironana hatreto. Mivoatra arakaraka ny fahatongavan`ny voka-pifidianana any amin`ny faritra sy avy any lavitra izany. Etsy an-kilany, tsy mitsahatra ny famakiana bantsilana ny lesoka rehetra teo amin`ny fifidianana fihodinana voalohany iny saingy tsikaritra fa tsy dia mihoa-pefy loatra ny filazana ny lesoka. Efa manomana hatrany ireo kandidà sasany amin`ny fanomanana ny fametrahana ny fitoriana eo amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izay efa voafaritry ny lalàna rahateo toa an-dRavalomanana sy Rajaonarimampianina izay milaza fa hitory eo anivon`ny HCC. Miandry ny rehetra saingy mailo, indrindra manoloana ny zava-misy. Amin`ny ankapobeny, manana sivy andro aorian`ny 20 novambra ny HCC handinihana sy hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy. Etsy an-daniny, mbola manana dimy andro koa ireo kandidà hametrahana fitoriana sy fitarainana raha tsy manaiky ny voka-pifidianana ofisialy izany. Tokony hanomboka ny 4 desambra ny fihodinana faharoa amin`ny fifidianana filoham-pirenena ka hotanterahina ny 19 desambra kosa ny latsa-bato amin`izany. Mbola mirona eo anivon`ny CENI sy mahatoky ity rafi-panjakana ity ny rehetra eo amin`ny famoahana izay voka-pifidianana izay. Efa nihoarana ny adihevitra amin`ny “1er tour dia vita” ka mifantoka amin`ny fanatanterahana ny fihodinana faharoa amin`izao no tokony himasoana. Miandry kosa ny fanamafisana izany amin`ny 20 novambra hamoahana ny voka pifidianana vonjimaika.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT