Politique

1er tour dia vita Fepetra 5 no fenoin`ny kandidà dia tanteraka


  • Alatsinainy 05 Novambra 2018

Niakatra ny maripana politika ny faran`ny herinandro lasa teo fa nifanesy ny faradoka nataon`ireo kandidà ho filohan`ny Repoblika.

 

Samy nahafeno kianja ary nifaninana tamin`izany avokoa ireo kandidà lazaina ho « favoris”. Misy anefa ireo mihevitra fa mamita-tena raha ny isan`ny olona no andrefesana ny herin`ny kandidà iray. Tsy azo lavina fa tsy mbola misy afaka mitompo teny fantatra hoe efa mandresy, indrindra hoe “premier tour dia vita”. Amin`ny ankapobeny, ny fifidianana dia tsy matematika na vita kajy satria maro ireo teboka tsy maintsy jerena. Ny “Premier tour dia vita” rahateo dia tsy maintsy antsasamanilan`ny mpifidy na 50,0001%. Miova anefa ny fizotry ny fifidianana taorian`ny hetsika fanoherana fifidianana nataon`ireo kandidà sasany ka azo tanterahina izany ‘premier tour dia vita’izany, hoy ny teknisianina iray, izay mpisehatra eo amin`ny tontolon`ny fifidianana. Raha mihavitsy ny kandidà, mihamitombo ny vintana handresen`ny kandidà iray amin`ny fihodinana voalohany fa raha betsaka ny kandidà dia mizara ny vato. Araka izany, azo atao tsara anefa ny fahazoana fandresena amin`ny fihodinana voalohany raha mahafeno ireto fepetra miisa dimy (5) ireto ny kandidà iray: ny zava-bitan`ilay kandidà, ny tanjaky ny antoko misy azy, ny faniriana mafy ny fifandimbiasam-pahefana ary ny zava-misy eo amin`ny sehatra iraisam-pirenena. Antenaina fa ampy hijeren`ny mpifidy izay ametrahany ny hoaviny mandritra ny dimy taona. Efa manakaiky ny fifidianana ka ny fampirisihana ny vahoaka hifidy no imasoana satria raha mba miakatra ny tahan`ny fandehanana mifidy, efa fandresena iombonana.

Marigny A.

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT