Politique

“1er tour dia vita” 2001, 2006, 20…


  • Talata 28 Aogositra 2018

Kandida ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Marc Ravalomanana.

Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny didy fanapahana laharana faha-26-HCC/D3 navoakany ny 22 aogositra 2018 izany ary eo amin’ny laharana faha-25 no hisy azy amin’ny biletà tokana sy amin’ny tabilao faritan’ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, hisy ireo afisy amin’ny fampielezan-kevitra. Fanintelony amin’ity ny filoha mpanorina ny Tiako I Madagasikara no hisedra safidim-bahoaka, taorian’ny tamin’ny 2001 sy 2006. Tamin’ireo fifidianana roa voalohany nandraisany anjara ireo, dia nivoaka mpandresy tamin’ny fihodinana voalohany hatrany i Marc Ravalomanana. In-droa nirotsaka hofidiana ary in-droa nanao “1er tour dia vita”. Kandida tsy nahalala “2ème tour” i Marc Ravalomanana raha fifidianana. Izay no nahalalana azy. Fiteniny rahateo moa ny hoe : aleo gisitra toy izay faharoa. Fanintelony hisedra ny safidim-bahoaka izy amin’ity. Vonona amin’izany ve ny mpomba azy fa fanintelony varomaty ity ? Hamerina ny fitokisany aminy ve ny Malagasy, izay ela niaretana ny fijaliana sy fahoriana ary herisetra nateraky ny fanonganam-panjakana teto ny taona 2009 ? Ny zava-misy aloha dia efa hatramin’ny oktobra 2014 niverenany an-tanindrazana i Marc Ravalomanana no namerimberina ny fahavononany hanarina ny firenena ary nanambarany fa hanokana ny andro sisa iainany hanompoana ny Malagasy sy hampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy hahavita samirery anefa izy fa mila fifampitokisana, fifampifehezana ary fiaraha-miasa izany. Famerimberiny rahateo ny hoe : ny tonga miaraka no fanombohana fa ny miasa miaraka no fahombiazana. Tetsy Mahamasina tamin’ny sabotsy 25 aogositra dia nambaran’i Marc Ravalomanana ho ren-tany, ho ren-danitra fa “hampihavana fa tsy hampisaraka, hanangana fa tsy handrodana ary hanome fa tsy handroba” izy. Fihaonana manan-tantara iny tamin’ny sabotsy iny, satria iny indray vao tafahaona nivantana tamin’ireo mpomba azy i Marc Ravalomanana taorian’ny tamin’ny 14 febroary 2009, nilazany fa vonona ny MAP 2 (Madagasikara AmPerinasa andiany faha-2) hanarenana an’i Madagasikara. Manan-tantara satria fifanojoan-javatra sa kisendrasendra ihany fa rehefa notanterahin’ny CENI teny Nanisana io 25 aogositra io ny fisarihana mba handaharana ireo kandida ao anaty biletà tokana amin’ny fifidianana, dia voasarika ho eo amin’ny laharana faha-25 ny kandida Marc Ravalomanana. Raha tsy misy ny fiovana ihany koa dia hanao ny fianianany ampahibemaso eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina amin’ny 25 janoary 2019 izay filoha voafidim-bahoaka eo. Ny 25 desambra 2018, hankalazan’ny mpino kristianina manerantany ny nahaterahan’ilay Mpamonjy aza dia efa mety ho fantatra izay homen’ny Malagasy ny fitokisana hitondra indray ny firenena mandritra ny dimy taona ho avy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT