Nivoaka ihany ny resaka, herintaona latsaka kely aty aorian’ny fifidianana. Fantatra izao araka ny loharanom-baovao iray fa vola be no notaterina tamin’ny fiaramanidin’ny kaompania Air Madagascar nandritra ny propagandy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013. Naparitaka tamina faritra maro manerana ny nosy io vola be io ary ny ekipa nanohana ny kandidam-panjakana tamin’izany fotoana no tompon’ny vola. Ireo filazam-baovao Frantsay toy ny RFI (Radio France Internationale), ohatra, dia nilaza fa 43 tapitrisa euro be izao no tetibola ampiasain’ny kandida Hery Rajaonarimampianina amin’ny
fifidianana filoham-pirenena (fihodinana voalohany sy faharoa). Raha avadika vola Malagasy io dia 136 740 000 000 ariary (680 370 000 000 fmg). Roa avo henin’ny tetibola nampiasain’ireo kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tany Frantsa tamin’ny 2012 io satria ho an’i François Hollande dia 21,8 tapitrisa euro ny vola nampiasainy tamin’ny propagandiny ary 21,3 tapitrisa euro ny an’i Nicolas Sarkozy. Izany hoe tena manankarena noho ny filohan’i Lafrantsa sady manambola lavitra noho ireo antoko roa goavana indrindra any an-toerana izany ny mpanao politika vao misondrotra eto Madagasikara !
192 173 ariary isan’olona
Afaka nizara vola 192 173 ariary isaky ny olona nifidy azy izany i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 2013 raha atao ny salanisa tsotsotra satria 711 534 no isam-bato azony tamin’ny fihodinana voalohany. Io no tetibolam-pifidianana goavana indrindra nisy teto amintsika hatramin’izay. Ny manitikitika ny saina avy hatrany raha vao mahita io tarehimarika goavambe io dia ny hoe : avy aiza ny vola ? Inona no loharanom-bolan’ny kandidan’ny HVM ? Efa mazava be fa nanohana azy i Andry Rajoelina sy ny vondrona MAPAR, teo ihany koa ireo mpandraharaha vahiny sasany, fa na izany aza dia tsy mazava hatramin’izao hoe : avy aiza marina moa io volabe io ? Iaraha-mahalala mantsy fa minisitry ny vola nandritra ny fitondrana tetezamita i Hery Rajaonarimampianina ka maro ihany no velon’ahiahy. Ny olana amin’ity resaka ity dia lasa filoham-pirenena ankehitriny ilay olona nanao propagandy tamin’ny alalan’ny vola be tsy fanta-piaviana tamin’ny 2013. 9 volana teo amin’ny fitondrana izy izao fa tsy hita ihany ny asa misongadina vita ankoatra ny fandehanana any ivelany, izay mbola nandaniana vola be ihany koa. Minisitry ny vola sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny tetezamita, ka izay ve no antony nitaterana ilay volabe tamin’ny fiaramanidin’ny Airmad ? Izany ve tsy efa fanararaotam-pahefana ambony grady ? Mbola azo itokisana hanasoa ny firenena tokoa ve ny olona tahaka izany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.