13 mey 1972- 13 mey 2015. Feno 43 taona anio ny hetsika nataon’ny mpianatra nitaky ny famotsorana ireo mpianatra 380 izay nosamborina teny Ankatso ny 12 mey 1972 noho ny hetsika fangatahana ny fanagasiana ny votoatim-pampianarana teto amintsika
. Teo Analakely no nisy hetsika fitakiana ka nifandonan’ny mpianatra tamin’ny mpitandro ny filamianana. Nandritra izany fotoana izany no nahamay ny lapan’ny tanàna. Bala tena izy no navalin’ny polisin’ny FRS na Forces Républicaines de securité ny horakoraky ny mpianatra tao Analakely ka na teo aza ny maty sy ny naratra dia tsy nampihemotra ny mpianatra izany. Noho io hetsika teny Analakely izay antsoina ankehitriny hoe 13 mey io dia nampiato ny asany ireo mpiasam-panjakana sy tsy miankina. Ny 15 mey dia olona nanodidina ny 150.000 no nanao dia be teny amin’ny lapan’Andafiavaratra nitaky ny famotsorana ireo mpianatra nogadraina tany Nosy lava. Tsy nahatanty ny hetsika nataon’ny vahoaka intsony ny mpitondra ka namotsotra ireo mpianatra izay tonga teto Antananarivo ny 16 mey ihany.
Fahaleovantena tena izy
Raha iverenana ny tantara dia ny 24 martsa 1971 no nitokona ny mpianatra teny Ankatso nanohitra ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao sy ny fanavankavahan-tsaranga teo amin’ny lafiny fanabeazana. Tany Frantsa avokoa no nandraisana ny fanapahan-kevitra momba an’i Madagasikara tamin’izany fotoana ka tsy nahafaly ny mpianatra. Niitatra hatrany amin’ny faritany ny fitakiana ny fahaleovantena vaovao ka tany amin’ny faritra atsimo dia Atoa Monja Jaona no nitarika ny tolona. Nisy ny fifandonana tamin’ny mpitandro ny filaminana ka nivoaka tamin’ny vaovao ofisialy fa 45 no maty fa Atoa Monja Jaona kosa nilaza fa an’arivony no maty ankoatra ireo nosamborina fa voampanga ho nanohintohina ny filaminan’ny firenena.
Ny volana martsa 1972 no niditra an-tsehatra ny mpianatra ho farmasianina sy ny mpianatra ho mpitsabo ka ny 19 aprily 1972 dia nakatona ny sekoly fianarana ho farmasianina.
Ny 24 aprily no nihamafy ny tolona ka niitatra hatrany Fianarantsoa sy Antsirabe ny 28 sy ny 29 aprily. Io hetsika io no nampiongana ny filoha Tsiranana teo amin’ny fahefana feno ny 18 mey 1972 ka niakaran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel teo amin’ny fitondrana. Nanomboka teo dia lasa toerana fanaovana fitakiana politika ny toeran’ny 13 mey eo Analakely ny taona 1991, 2001-2002 sy ny 2009. Nandritra ny fanjakana tetezamita kosa no nanavaozana indray ny lapan’ny tanàna izay may tamin’ny 1972. Ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy dia hametraka fehezam-boninkazo eny amin’ny kianjan’ny 13 mey Atoa Alain Ramaroson filohan’ny antoko Masters ary hanotrona azy amin’izany ihany koa Rtoa Lalatiana Ravololomanana izay kandida ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.