Nanao jery todika ny zato andro voalohany nitantanany ny governemantany ny jeneraly Jean Ravelonarivo, praiminisitra lehiben’ny governemanta. Asongadiny voalohany amin’izany fa efa mizotra amin’ny firosoana any amin’ny fanjakana tsara tantana, ny fampanajana ny demokrasia sy ny tany tan-dalŕna
. Voalaza ao ny fanampian’ny banky iraisam-pirenena mitentina 4,2 tapitrisa dolara sy ny fisian’ny angidim-by izay miasa tsy miato any Toamasina amin’ny ady amin’ny trafikan’andramena. Soritany amin’izany tatitra izany ihany koa ny ambarany fa fandrosoan’ny fametrahana ireo andrim-panjakana sy andrim-pahefana ilaina amin’ny fampandehanan-draharaham-pirenena. Eo amin’ny tontolon’ny toe-karena dia ny fahavitan’ny paritra Malagasy zary ohabolana sy ny paik’ady natao dinasa no voalazan’ny praiminisitra fa dingana vita. Manodidina ny 18 miliara dolara ny vola ilaina amin’ny fampandehanana io fandaharan’asa io ka ny 12 miliara dolara no mbola hotadiavina. Eo amin’ny fotodrafitrasa dia voaresaka ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana ny Jirama sy ny seranam-piaramanidina eny Ivato sy Nosy be. Ny fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra ary eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia ny fametrahana ny fepetra amin’ny fitrandrahana ny vatosoa sy ny volamena ary ny solika no nosoritany. Eo amin’izay toekarena izay ihany dia resahan’ny praiminisitra ny nahazoana ny fiaramanidina vaovao sy ny fandrindrana ny fambolem-bary. Ary eo amin’ny fiahiana ny mahaolona dia ny nametrahana vonjy aina eny amin’ireo hopitaly mandray fitsaboana voalohany amin’ny faritra 16 no nisongadina. Amin’ny ankapobeny dia izay ny fehin’ny 100 andron’ny praiminisitra miaraka tamin’ireo ezaka nataon’ny governemanta nandritra ny rano be sy ny rivodoza nandalo teto Madagasikara. Jery todika izay nahitana ezaka tokoa saingy mbola lavitra ny filàna takian’ny fiarahamonina.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.