Politique

100 andron’ny governemanta “Tsy fenitra fa dingana hahombiazana kokoa”, hoy i Anthelme Ramparany


  • Talata 23 Jona 2015

Naneho ny heviny mikasika ny paikadin’ny governemanta mikasika ny fanatsarana ny sosialin’ny mponina sy ny asa fampandrosoana ny minisitry ny fiompiana Ramparany Anthelme

 

. Nambarany fa dingana hirosoana mba hahombiazana kokoa ny zato andro nofaritana fa tsy fenitra. Ho an’ny departemanta tantanany dia misy dingana fohy ezaka efa tratra, hoy izy, toy ny fanaovana vaksiny sy ny famonoana bibikely ny biby fiompy, izay natomboka tany Toliara. Raha 50% no tanjona notratrarina dia efa nihoarana izany eo amin’ireo lafiny ireo. Toy izany koa ny ady amin’ny aretina ‘varroase” nanimba ny fiompiana tantely, tamin’ny fanomezana tosika ireo mpiompy hiady amin’io aretina io, hitazomana ny maha sompitra aty amin’ny ranomasimbe Indiana an’i Madagasikara.

Mahakasika ny toe-draharaha politika indray dia nambarany fa “ny krizin’ny toe-tsaina politika no mila arenina eto”. Nametra-panontaniana Ramparany Anthelme hoe inona marina ny fiarahamonina tiana apetraka eto ? Hamotika ny mba efa miarina  toy izay niseho tamin’ny taona 1991, 2002 sy 2009 indray ve sa hitsinjo ny 2018 ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ? Isaky ny manomboka hiainga ny fampandrosoana ary miverina ny famatsiam-bola ho an’ny tetikasam-pandrosoana hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina, dia misy mamboly korontana hatrany ireo mahatsapa ho very tombontsoa manokana. “Hahagaga ve raha ho sasatry ny miarina tao anatin’izay taona maromaro izay ?”, hoy izy

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT