Politique

100 andron’ny governemanta Milaza ho afa-po ny praiminisitra


  • Alarobia 24 Jona 2015

Tapitra omaly ny 100 andro izay napetraky ny praiminisitra handrefesana ny zava-bitan’ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nilaza ho afa-po ny praiminisitra Jean Ravelonarivo tamin’ny ankapobeny.

 

 Vokatra izay novinavinainy ho ny 95%-n’ny asa nandrasana no vita. Ny zato andro manaraka dia hafantoka amin’ny fampiharana ny paikady natao dinasa sy ny Paritra Malagasy zary Ohabolana amin’izay. Fa manoloana ity fandrefesana ny ezaky ny minisitra nandritra ny  100 andro ity dia tsy vitsy no tsy  mitovy hevitra amin’Atoa praiminisitra. Anisan’izany ny fikambanan’ny mpandraharaha izay nanamarika fa tokony  ho amin’ny alalan’ny tarehimarika na amin’ny alalan’ny fisian’ny fotodrafitrasa vita sy mamokatra no andrefesana ny fandrosoana ara-toekarena raha eo imason’ny mpamatsy vola  fa tsy vitan’ny resaka fotsiny. Eo anivon’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana izay tsy mbola nahazoantsika fankasitrahana avy tamin’ny mpamatsy vola ihany koa   fa mbola mijanona ho fampirisihana amin’ny fampitomboana ny fampidiran-ketra sy ny fanatsarana ny fitantanana eny anivon’ireo orinasam-panjakana toy ny  Air Madagascar sy ny Jirama hatreto ny resaka.  Eo amin’ny tontolon’ ny fandriampahalemana  dia miteny ho azy ny tatitra amin’ny halatra omby sy ny vaky trano ary ny herisetra maro isan-karazany izay tsy nahitam-bahaolana. Nilaza  ho afa-po ny praiminisitra, tsy azo omena tsiny izy raha izay no fahitany ny zaza-misy fa izahay vahoaka madinika kosa dia diso fanantenana,  hoy ity raiamandreny avy eny Ambalambahoaka iray nanantena  fa hasiana fanovana eny anivon’ireny minisitera tsy mamokatra ireny kanefa inona akory no teo !

AndryRatovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT