100 andro indray, hoy ny fitondrana. Toa manamafy ny slogan’ny minisitry ny asa vaventy ankehitriny izany, hoy i Guy Roger tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly talata 17 martsa. Kobaka am-bava ihany satria mbola anaty krizy foana i Madagasikara,
ny hevitra ihany no hita anatin’ny 100 andro izany. 30 volana voalohany anaty “mandat”, dimy taona dia fametrahana dosie hoe ireto ny programa fohy, lavitra ezaka dia alefa any amin’ny mpamatsy vola. Ny kitoatoa sy ny tandrametraka no vita anatin’ny 100 andro. Tsara ny ezaka ataon’ny sendikan’ny kaominina amin’ny rafitra atao amin’ny renivohitra ary tsy nahita fandrosoana goavana Antananarivo ankoatra ny tamin’ny faha Ravalomanana ben’ny tanàna sy izy filoham-pirenena.
Tsy azo lazaina fa misavorovoro ny raharaham-pirenena satria tsy taitra ny mpitondra, hoy i Manoela. Mety mahavita zavatra ihany ny fitondrana ao anatin’ny 100 andro fa zavatra kely. Ny olana izao dia ny vidin-javatra, indrindra fa ny vary lafo be nefa io no foto-tsakafo. “Marche pour la francophonie » ve hitondra vola ho an’ny Malagasy sa ny harem-pireneny no lasan’ny Frantsay ? Adino izao ny kere noho ny traboina ary raha tonga any atsimo aza ny vary, tsy misy vola hividianana azy. Tokony ho politika avo lenta no eto Madagasikara ary ny tsara no tohizana dia avela ny ratsy. Tokony ho efa nesorina mialoha ny lehiben’ny trésor fa tsy niandry olana ary tsy mamaly fanontaniana ny mpisolo toerana. Tena samihafa ny mpandraharaha sy ny expert comptable.
RHR/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.