Loisirs

Zoma mahafinaritra Maro isafidianana ny hetsika anio tontolo


  • Zoma 23 Aprily 2010


Paradisa miaraka amin’i Princio : Hanolotra cabaret mamofona paradisa indray i Princio anio alina etsy amin’ny  SK Melody  Mandriambero manomboka amin’ny sivy ora alina.  10 000 Ariary no vidim-pidirana tsotra raha 15 000 Ariary kosa ny famadrihan-toerana ary eny amin’ny Super Music Analakely no ivarotana  ny karatra. 
 
Din Rotsaka etsy amin’ny Pharaon : Zoma marina ny andro ka saika ahitana hetsika avokoa ireo toerana mivoha alina. Anisan’izany ny Le Pharaon Ambohidahy izay hanolotra fampisehoana eny an-toerana miaraka amin’i Din Rotsaka anio alina manomboka amin’ny sivy ora alina. 5 000 Ariary no vidim-pidirana eny an-toerana.
 
"Zaimaika 3 étoiles" miaraka amin’i Henri Ratsimbazafy : Ao amin’ny Atlantis Analamahitsy indray no fotoana miaraka amin’i Henri Ratsimbazafy anio alina ao amin’ny  Espace. Hanomboka amin’ny valo ora alina ny fampisehoana. Nahandro miavaka ary tena Malagasy no hita eny an-toerana miaraka amin’ny Chef Marius, mpahandro matihanina fanta-daza.
 
Electro-chic etsy amin’ny “Le 6” : Hatreto aloha dia mbola ny “Le 6” hatrany no toeram-pandihizana tsara sy manintona olona indrindra eto an-drenivohitra. Tsy vitsy amin’ireo tanora no mahavatra manangona sy manokana vola andehanana eny an-toerana. “Electro-chic” indray no lohahevitra voizin’ny eny an-toerana anio manomboka amin’ny folo ora alina

Luciana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT