Loisirs

Minisitry ny mponina Miantso an`i Toamasina ho tony


  • Zoma 05 Jona 2020

Miantso ny mponina ao Toamasina ho tony ary manentana azy ireo hanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana i Naharimamy Lucien Irmah, minisitry ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy, no sady ministra ‘coach”any amin`ny faritanin` i Toamasina.

 

 Namafisiny fa ilaina ny fiaraha-mientana hahafahana mifehy ny aretina “coronavirus”. “Iaraha mahalala fa aretina tsy manjary ny aretina nefa tsy nho vitan`ny fanjakana irery no hiady amin` izany raha tsy manampy isika mponina. Ialantsika ny savorovoro fa tokony hiditra amiin`ny fanarahana ny fepetra amin` izay mba ho vita malaka toy ny faritra Matsiatra io aretina tsy manjary ka äfaka mifamezivezy sy mifamangivangy”. Mahakasika ny fiahian` ny mponina amin`izao fihibohana izao dia nanambara ny minisitra fa hiezaka hitady ny vahaolana ara-tsosialy ho an` ny mponina izay voakasiky ny fepetra. “42 000 tokantrano no nisitraka izany Tosika Fameno izany tao amin`ny faritra Atsinanana ary 30 000 ireo nahazo Vatsy Tsinjo ankoatra ireo nomen` ireo mpiara-miombon` antoka miara miasa amin` ny ministeran`ny mponina sy ireo mahalala tanana toy ny ben` ny tanàna sy governora…” Omaly no nanao ny tatitra teny amin` ny solombavambahoaka teny amin`ny CC Ivato ny minisitra Naharimamy Irmah.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT