Loisirs

Fanaraha-maso ny voka-pifidianana Tonga hatreny amin’ny HCC ny vahiny


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Hentitra amin`ny fanaraha-maso ny fikirakirana voka-pifidianana ny iraisam-pirenena. Nitsidika sy nijery ifotony ny vondrona eoropeanina teo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ireo mpanara-maso ny fifidianana.

 

 

 

 

Raha ny fantatra dia mizara roa ny fomba fiasan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin`izao vanim-potoan`ny fifidianana izao. Eo ny teknisianina eo anivon`ity Fitsarana ity, izay mandray ny voka-pifidianana mampiditra ao amin`ny tahirin-kevitra ara-informatika. Eo ihany koa ny mpikambana eo amin`ny HCC izay mitsara. Raha mahakasika ny fikirakirana ara-teknika raha ohatra ka mahazo fanasana ny mpanara-maso na avy eto an-toerana na vahiny dia afaka izy izany mijery ny fomba fiasa. Raha tsiahivina, tamin`ny andron`ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana (CES) tamin`ny 2013-2014, ny vondrona iraisam-pirenena an`ireo firenena miteny frantsay (OIF) mantsy ny fampitaovan`ny CES tamin`izany ary matetika nisy fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-mivory amin`ny fampitahana fomba fiasa sy fanofanana. Tamin`izany, i Theodore OLO, filohan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana any Gabon teo aloha, no tonga teto amintsika ary nanampy tamin`izany. Raha ny lafiny ara-teknika, azo ekena ny fidiran`ny iraisam-pirenena an-tsehatra, hoy ny resaka etsy sy eroa amin’ireo mpanara-baovao fa raha efa eny amin’ny HCC kosa no mitsabaka ny vahiny dia inona intsony no resaka fiandrianam-pirenena amin’izany ?

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT