Raha ny vaovao miely dia hiala tsy ho eo anivon` ny governemanta intsony ny antoko Malagasy Miara Miainga vao vita ny fifidianana loholona.
Marihana fa manana kandidà eto amin`ny faritanin` Antananarivo sy any Toamasina ity kandidà ity. Raha tsiahivina dia ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, izay sady filohan`ny antoko, no sisa mpikambana eo anivon` ny governemanta Ntsay Christian. Ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Volahaingo Marie-Thérèse, no minisitra avy amin` ity antoko ity saingy taorian` ny raharaha “panier garni” dia nosoloina. Mazava aloha ny tetika raha ho an` ny MMM: hanomana fifidianana filoham-pirenena amin`ny taona 2023. Anisan` ny fahendrena tokoa moa izany satria raha ny fiainam-pirenena ankehitriny no hasian-teny dia tsy mandeha amin`izay laoniny. Efa mihatra ny fanohintohinana fahalalahana maneho hevitra. Mahazo laka sy vahana ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy. Tsy voafehy ny fitantanana firenena nandritra ny valanaretina Covid 19 ary tsy nisy mihitsy ny mangarahara tamin` ireo fanampiana samihafa. An`alina no very asa tao anaitn` ny fito volana. Santionan`ireo mba tsy hilazana intsony ny fahoriam-bahoaka sy ny fahantrana lalina sedrain` ny vahoaka ankehitriny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.