Loisirs

Fiainan` antoko Hanao kongresy nasionaly ny AREMA


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Tsiafahy noho ny fankalazana ny andron' ny vehivavy ny 8 martsa lasa teo ny vehivavy sy tanora mpikambana eo anivon` ny antoko AREMA.

 

 Mpikamabana maherin` ny 300 no niaraka tamin' ireo mponina teny an-toerana nanatanteraka izany. Izy ireo rahateo no miantoka ny fanaraha-maso ireo zana-kazo novolena. Nandritra ny lahateny nifandimby dia nanambara ny sekretera nasionalin' ny AREMA, Atoa Simon Pierre, sy, ny mpitantsoratry ny antoko, Rtoa Annick Ratsiraka, fa hankalaza ny faha-44 taonan` ny antoko ny 19 martsa izao. Hisy ny fampatsiahivana ny tantaran’ny fikambanana sy ny lalana rehetra efa nodiaviny nandritra ny taona maro nitsanganany. Ankoatr`izay, hisy ny kongresy nasionaly ny 19-20-21 martsa izao eny amin` ny FOFIKRI ILAFY ka handray anjara daholo ny faritra 22 ahitana solontena telo avy isaky ny distrika. Isan’ireo antoko politika tsy dia misehoseho matetika ny antoko AREMA. Mety ho efa maro anefa ny zavatra nomanin’izy ireo ho an’ny vahoaka malagasy nandritra izany. Andrasana hatrany izay ho lahatenin` ny filoha mpanorina, Amiraly Didier Ratsiraka, indrindra manoloana ny toe-java-misy eto amin` ny firenena. Mazava ho azy fa ny tanjon` i Didier Ratsiraka sy ny mpiara-dia aminy ny hampiseho fa mbola mijoro ny antoko AREMA ary manaraka akaiky ny raharaham-pirenena. Taorian` ny fifidianana filoham-pirenena dia maro ireo nametra-panontaniana amin` ny hoe : “mbola misy ve ny antoko AREMA sa efa maty? ”.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT