Loisirs

Zoma mahafinaritra Ireo hetsika sy fampisehoana anio tontolo


  • Zoma 09 Aprily 2010


Rehefa zoma tahaka izao dia tsy vitsy ireo misafidy ny hivoaka alina hialavoly kely rehefa mirava avy miasa iny. Ho an’ireo izay zatra manao zoma mahafinaritra na koa mikasa ny hanao izany anio dia maro ireo hetsika sy toerana azo aleha na alina na atoandro. 
 
Hifamotoana amin’ny mpankafy azy i Rolf etsy amin’ny CCESCA Antanimena. Hanomboka amin’ny dimy ora hariva ny fampisehoana. Ny studio Ritsoka no mikarakara ny fampisehoana izay ahenoana ireo sangan’asany farany izay hita ao anatin’ilay horonantsary mitondra ny lohateny hoe «ombalahy». 10 000 Ariary kosa ny vidim-pidirana.

_Mozika tena Malagasy kosa no iarahana amin’i Teta etsy amin’ny Chillout Café Ambondrona anio alina amin’ny valo ora sy sasany. Hisy zava-pisotro sy tsakitsaky isan-karazany ihany koa eny an-toerana ary tsy misy vidim-pidirana fa mila mividy zava-pisotro fotsiny ihany ny tsirairay.

_ Revy Glita _ Kôlibera indray no hifamotoana amin’ny rehetra etsy amin’ny “Piment café” Behoririka anio alina amin’ny sivy ora. 7 000 Ariary kosa no vidim-pidirana.

_ Eny amin’ny In Square Ambatobe kosa no ahitana an’i D-Lain na i Lalaina mpikambana ao amin’ny tarika Tana Gospel Choir. Hanomboka amin’ny sivy ora alina ny fampisehoana.

_ Fampisehoana hafa kely indray no ho hita etsy amin’ny Bao’bar Ambatonakanga satria dia filatroana no ho tazana eny an-toerana manomboka amin’ny fito ora hariva. Fampisehoana ireo lamba fitafy vaovao atolotr ‘i Miarivola Kristel (Kristel Boutique) no tena vontoatin’ny hetsika.

_Alin’ny tsy manambady kosa no atolotry ny « Le 6 » Antaninarenina, toerana tafiditra ao anatin’ny be mpankafy sy manintona olona indrindra amin’izao fototana. 5 000 Ariary no vidim-pidirana eny an-toerana.
Luciana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT