Kilalao fahiny ezahana haverina homena lanja indray ny Zoera. Manararaotra ny fisian’ny fiadiana ny amboara eran-tanin’ny kitra amin’izao fotoana ny ministeran’ny alavoly mba hisarihana ny tanora amin’ity kilalao iray ity. Misy, araka izany, ny fifaninanana izay hotontosainy ny 3 ka hatramin’ny 11 jolay ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Etsy Ambohijatovo misy ny biraon’ny ministera no fisoratana anarana ho an’ireo izay liana ka ekipa 256 no horaisina. Ny 30 jona izao no fe-potoana farany fandraisana ny mpifaninana raha toa ka mbola misy ny toerana malalaka. 2000 ariary moa ny saram-pisoratana anarana isaky ny ekipa. 15 minitra ny faharetan’ny lalao raha 11 avy tahaka ny kitra ny isan’ny mpilalao halahatra. Amin’ity andiany voalohany ity dia natokana ho an’ny ankizy monina eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fifaninanana. “Mbola hampahafantarina amin’ny fotoana manaraka ny fitsipiky ny lalao sy ny fandaharam-potoan’ny lalao rehetra”, hoy i Narindra, tompon’andraikitry ny Zoera 2010. Ny 10 jolay no manomboka ny dingan’ny famaranana izay hifantenana ekipa 32 raha ny ampitson’io kosa no hotontosaina ny lalao famaranana. Fahitalavitra “ecran plat” no loka azon’ny ekipa mpandresy raha fakantsary “numérique” kosa no valisoan’ny faharoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.