Loisirs

Zavakanto Niavaka ny seho nataon’i D’Gary


  • Talata 21 Aprily 2015

Fahombiazana tanteraka ny seho tokana nataon’i D’Gary tao amin’ny foibe ara-kolontsaina Franco-Malagasy Antsirabe ny zoma 17 aprily 2015 lasa teo. Hipoka tanteraka ny efitrano filanonana, izay nifanohitra tamin’ny seho ny taona 2000.

 
 Nambaran’i D’Gary fa nahafinaritra azy ny seho ary afa-po ny tenany rehefa feno ny mpijery ary mahay mankafy tanteraka ny mpijerin’Antsirabe. Mpanakanto mipetraka any ampitan-dranomasina moa ity mpanakanto ity. Nambarany fa efa manomboka hain’ny mpankafy ny hirany na dia tsy dia fantatry ny olona aza ny tenany noho ny tsy fisian’ny rakitsary. Nanaporofoany izany ny fiarahany nihira tamin’i Narindra, tovovavy iray tany Toamasina, izay tsy nahafantatra azy akory kanefa dia nahay tsara ny hirany ka mbola manampy azy amin’ny fitetezam-paritra izay ataony eto Madagasikara amin’izao fotoana. Nambarany fa ny mozika sy ny kolontsaina ihany no ahafantaran’ny hafa antsika fa resaka fotsiny ny manodidina ny toekarena. Nolazainy fa “Lolohavina ny an’ny tena ary sakelehina ny an’ny hafa”. Manana fototra isika, hoy izy ka izay fototra izay ihany no maha izy ny olona sy ny firenena.


 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT