Ny sabotsy 8 mey izao, etsy amin’ny kianja maitson’Antsahamanitra no hotontosaina ilay hetsika fampisehoana Zafindraony goavana atolotry ny zanaka am-pielezan’ny Toby lehibe Soatanana miray amin’ny FFPM, ny toby soatanana Ilafy, ary ny komity mpanomana ny rindrankira.
Tsy misy vidim-pidirana ny fampisehoana raha hisy kosa ny valopy hozaraina ahafahan’ny tsirairay mandrotsaka izay foiny. Tarika roa no haneho ny talentany amin’izany dia ny tarika Ny midera sy ny tarika Ly Andriamamy. Antony goavana anankiroa no hanaovana ny hetsika. Ny antony voalohany dia ny noho ny fangatahana manokana ny hemerenana indray ny hetsika tahaka ity. Raha tsiahivina mantsy dia ny taona 2004 no nisy fampisehoana Zafindraony tahaka ity ary tsy nisy intsony ny taorian’izay. Tsy rindran-kira fotsiny ihany izy ity fa fitoriana filazantsara ho an’ny Malagasy rehetra, arahina rindran-kira sy toriteny indroa misesy. Ho an’ny marary rehetra raisina an-tanana ao Soatanana ihany koa ny hetsika. Tsy adino ihany koa ireo marary rehetra ankoatra izay sy ny olona tsirairay mila entina am-bavaka ary ny firenena izay mandalo fotoan-tsarotra tokoa amin’izao fotoana. Hisy ny asa fifohazana sy ny fanalana devoly mandritra izany ka asaina ny fiarahamonina manontolo na tsy mpino aza satria dia saika mila fanafahana avokoa ny tsirairay. Araka izany dia fampisehoana sy fotoam-pivavahana litorjika mihitsy no hitranga mandritry ny fotoana.
Raha ny antony faharoa hijoroan’ny hetsika kosa dia hisy ny fitatazan-drakitra ho fanorenana Toby fifohazana vaovao etsy Mahitsy izay hotanterahin’ny Toby Soatanana Ilafy. Nisy mantsy ny tsara sitrapo izay nanolotra tany maimaimpoana ho an’ny toby ahafahana manorina toby eny an-toerana ka ilana ny ezaka goavana sy fifanampiana izany. Hatokana manokana amin’ny fanorenana ny toby ny vola rehetra voaangona amin’io fotoana io. Hisy ihany koa ny rakikira VCD, navoakan’ny tarika Ny Mpidera izay amidy 5 000 Ariary mandritry ny fotoana. Eny Antsahamanitra, ny 8 valo mey, manomboka amin’ny iray ora ary ny fotoana ary tsy hifarana ny fampisehoana raha tsy amin’ny dimy ora any ho any. Tsy fampisehoana sy fitoriana filazan-tsara fotsiny ihany anefa ny hetsika fa kolontsaina Malagasy ihany koa ary ahitan-tsoa tokoa raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.