Mangotraka ny raharahan-tokantranon’ny Mapar. Hatramin’izay niverenan’Atoa Andry Rajoelina avy any ivelany izay dia tsy mitsahatra ity filohan’ny Tetezamita teo aloha ity ny mihaona amin’ireo Solombavambahoakany
. Ho tohin’ny fihaonana afak’omay dia mbola hihaona izy ireo anio, araka ny vaovao voaray ka ny fanesorana ireo Solombavambahoaka Mapar niova fo no iompanan’ny dinika. Ankoatr’izay dia andrasana ihany koa izay mety ho fanapahan-kevitra horaisin’ity laharana voalohan’ny Mapar ity taorian’ny tsy nahazoan’izy ireo alalana ny hanao téléton ho an’ny traboina tany Toliara sy Mahajanga. Eo ihany koa ny mahakasika ny fanasan’ny Fihaonamben’ny eglizy anio ireo filoha dimy hidinika momba ny fampihavanam-pirenena indray. Tsy mbola fantatra mazava moa ny hevitr’Atoa Andry Rajoelina na hanatrika io fivoriana io ny tenany na tsia.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.