Fanambarana miezinezina no nataon’ireo vahoaka mivondrona ao anatin’ny fikambanana Vondron’olon-tsotra manohana an’i Marc Ravalomanana (VOT) any Alaotra ny sabotsy 24 martsa teo.
Fitakiana ny famoahana ny gadra politika rehetra sy ny hanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT no ampahany tamin’ny fanambarana nataon’ny Vot Alaotra. Fa anisan’ny nampirefodrefotra ny tehaka ny filazana nataon’ny mpanentana iray tamin’io fotoana io fa tsy misy ny fifidianana raha tsy tafody aloha ireo sesitany politika. Ireo rehetra nandaha-teny dia samy nanamarika fa sarotra ny hanatanterahana fifidianana ao anatin’izao firenena feno fitokonana sy asan-jiolahy izao. Raha tsy mipetraka aloha ny fitoniana ara-politika, dia ny fanekena ny filoha Marc Ravalomanana hiverina eto an-tanindrazana hanohy ny asa fampandrosoana, hoy izy ireo, dia tsy azo tanterahana izany fifidianana izany. Sarotra no inoana, hoy izy ireo, fa hilamina ny tany kanefa misy ny olona hoverezin-jo.
Raha te hiala amin’ny krizy ny FAT, hoy izy ireo, dia tokana ihany ny vahaolana. Mila manaiky ny FAT fa nandetika ny firenena any amin’ny kizo ny zavatra nataony tao anatin’ny telo taona ka mila miala izy reo. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireo VOT any Alaotra mba handray fepetra mahakasika ireo olona izay manakana ny fodian’ireo sesitany politika, satria ireny no vato misakana tsy hialan’i Madagasikara ao anatin’izao krizy lalina izao. Tao amin’ny Akany Fitiavana Avaradrova no nanatanterahan’ny VOT Alaotra io fanambarana io. Namarana ny fotoana tamin’io andro io ny fanolorana ho fantatry ny rehetra ireo birao mitantana vonjimaika ny VOT ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Fantatra fa tsy ho ela intsony dia hapetraka ny biraon’ny VOT any amin’ny Distrikan’Andilamena sy Amparafaravola.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.