Loisirs

VOLANA JONA Hetsika miavaka no ho hita etsy amin’ny AFT Andavamamba


  • Alakamisy 28 Mey 2015

Nampahafantatra ny mpanao gazety ny fandaharam-potoanany mandritra ny volana Jona ho avy io ny Alliance Française omaly, ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra.

 


 

 Hetsika telo lehibe no hotanterahiny amin’izany toy ny festival des bandes dessinés andiany faha-11, ny fetin’ny mozika ary ny fetin’ny ankizy hotanterahina ny 24 jona ho avy izao. Saika mifanindran-dalana amin’ny iray volan’ny ankizy avokoa ireo rehetra ireo izay homarihina amin’io volana jona io. Ho an’ny festival des bandes dessinées manokana dia ny 16 jona ho avy izao no hanatanterahana  ny hetsika. Hisy ny fampianarana mikirakira tahirim-boky culturethèque amin’ny alalan’ny internet mandritra izany, fisoratana anarana maimaimpoana azo hatao ao amin’ny AFT andavamamba. Ho an’ny fetin’ny mozika kosa indray izay hanomboka ny 21 Jona dia hisy ny fampisehoana goavana hohafanain’i Gangstabab, Tselatra ary Alson. Farany izay tsy kely akory dia ny fetin’ny ankizy ao anatin’ilay lohahevitra hoe : miara-mialavoly isika. Ankizy 6 ka hatramin’ny 18 taona no voakasik’izany hifaninana amin’ny fanodinana ny taratasy ho azo hampiasaina indray, ny atrikasa momba ny fikarakarana zaridaina arahin’ny famoronana asa tanana momba ny rofia.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT