Ny talata 13 jolay teo vao nanomboka nandray ny volany tamin’ny fanentanana ny fetim-pirenena ireo mpanakanto tao Toamasina. Nambaran’ireo mpanakanto ireo fa ny 10%-n’ny nifanarahana ihany no azon’izy ireo ankehitriny fa toa nisy nanodinkodina ny anjara volan’izy ireo.
Efa niakatra teo anivon’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ny raharaha, dia izao nivaha izao ihany na kely tsy araka ny fifanarahana hatrany am-boalohany aza no azon’izy ireo.
Nisy komitin’ny fety nisahana ny fandaminana ireto mpanakanto nanentana nandritra ny fetim-pirenena ireto. Artista 22 no notsongaina ka nahazoana vola 440.000 ariary. Tsy tonga tany amin’ireo tokony ho nomena azy akory anefa ny vola. Ho an’i Lucienne mpihira eo anivon’ny tarika Farthem, nisolo tena ireto artista Toamasina, dia nambarany fa “aoka ny tena miasa amin’izay no atao ao anatin’ny komity sy hiarahana miasa, fa be loatra ny mahay resaka sy be fandahatra ka ny tena artista manao ny asany dia voa mafy foana noho ny hafetsen’ireo mpanakanto namana. Tany am-boalohany mantsy dia 20.000 ariary hatramin’ny 60.000 ariary isaky ny fisehoana an-tsehatra izany arakaraka ny lanjan’ilay mpanakanto, izao anefa 10.000 ariary ilay izy ary mitovy avokoa ho an’ny mpanakanto rehetra nandray anjara”. Nohamafisiny hatrany koa fa “efa niadivana tamin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana no nahazoana izao vola 10%-n’ny fifanarahana izao, marina fa kely tsy araka ny asa natao ilay izy, fa ny fandraisana andraikitra nasehon’i Alain Mahavimbina dia efa zava-dehibe ka tokony hanitsiana ny ho avy”.
Ankoatra izay, dia antony nahatonga ny lehiben’ny Faritra nanala ny mpiara-miasa aminy ity raharaha ity. Mpiara-mpiasa 11 vokatra izany no indray nesoriny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.