Tsy tokony hisy kandida mamoaka voka-pifidianana sy hanao fanambarana ny fandreseny, hoy ny Filohan'ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa amin’izao fiandrasana ny valim-pifidianana izao; tena iangaviana mba tsy hanao izany izy ireo, hoy izy. Tsy azo atao ihany koa ny mamoaka ny fironana na ny “tendance” fa dia miandry ny vokatra avy amin’ny CENI ny rehetra.
Manana 5 andro ny avy any amin’ny Birao fandatsaham-bato handefasana ny vokatra any amin’ny rantsana misahana ny fifidianana eny anivon’ny Distrika na ny SRMV (Section de Récensement des Votes) ka naman’ny ho very maina rehefa tsy vita ao anatin’izany, raha ny nambaran’ny Filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo, izany hoe hatramin’ny 12 desambra. Iray andro kosa no omena ny SRMV ho an’ny CENI Foibe. Ny 20 novambra no hamoaka ny valiny vonjimaika ofisialy ny CENI ary manana 8 andro handinihana izany sy ny fitoriana samihafa ny HCC, ka ny 29 novambra izany farafahatarany no hivoaka ny vokatra ofisialy. Nisy mpanao fanadihadiana manontany ny safidin’ny mpifidy nivoaka avy ao amin’ny birao fandatsaham-bato tamina toerana maro, mba hamoahana antontan’isa na “sondage” hamantarana ny fironanana na ny “tendance”. Nangataka fahazoan-dalana tany amin’ny CENI ireo fikambanana ireo fa tsy nahazo, raha ny fanazavana. 600 eo ny isan’ireo mpanao fanadihadiana miparitaka eny biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara, izay niteraka fikorontanana sy nampiroharoha saina. Raha ny teto Antananarivo sy ny manodidina dia isan’ny nahitana azy ireo teny Andranonahoatra Itaosy, 67Ha omaly dia nanontany ny kandida nofidian’ireo mpifidy avy ao amin’ny biraom-pifidianana ireo mpanao fanadihadiana. Avy amin’ny “agence d’information” Safidiko Madagasikara – Exit Poll izy ireo, raha ny fanampim-baovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.