Loisirs

Vinaben’ny boky mitety soratra Hovelomi-maso ny asa soratra malagasy


  • Alarobia 15 Aprily 2015

Hovelomin’ny Synael na vovonana itambaran’ny mpanoratra ny mpanota boky ary ny mpivarotra, maso ny fanotana sy ny famakiana boky.

 


 

  Maro ny haren-tsaina malagasy no  tsy tafavoaka ho an’ny mpanjifa sy tsy azo ampiasaina ho an’ny fanabeazana noho ny fahasarotana amin’ny famoahana boky. Noho izany indrindra no nahatonga ny fikambanana Synael izay tarihin-dramatoa Michèle Rakotoson amin’izao fotoana izao hikarakara ny “ Vinaben’ny boky mitety soratra”.  Fitetezam-paritra ahitana varotra fampisehoana ,fanentanana ary fampahafantarana mpanoratra sy fikatsahana fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana  no hatao amin’izany ka any Toamasina no hisantarana azy. Mandritra ny efatra andro (20-23 aprily) no hanatontosana izany eo amin’ny kianja malalaky ny kaominina ambonivohitr’i  Toamasina ka ny asa soratr’i Babity Laurent, mpanoratra mpikaroka ny fomba  Betsimisaraka no hasongadina mandritra ny hetsika. Omaly no nampahafantarina ny mpanao gazety teny amin’ny SMPL  Isoraka ny hetsika. Nandritra io fotoana io kosa  no nanambaran-dRahetilahy, talen’ny famakiam-bokim-pirenena fa efa misy ny didy nivoaka tamin’ny taona 2012 izay manambara ny fanampiana ny mpanoratra hamoaka ny asa sorany.

AndryRatovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT