Alina mangotraka indray no hiarahana amin’i Vaiavy Chila anio alina ao amin’ny Palladium Antaninarenina. Hanolotra Cabaret eny an-toerana mantsy ny vehivavy ka azo antenaina fa hafana tanteraka. Anisan’ny fiovana hita amin’ny ankamaroan’ireo toeram-pandihizana amin’izao fotoana ny fitodihany manokana amin’ny fanaovana “Cabaret” sy hetsika maro samihafa tahaka ny filatroana. Mikasika ny “Pandora” manokana dia nandalo fotoan-tsarotra ny teny an-toerana nandritry ny fotoana maro. Efa hita soritra ety ivelany ny ezaka samihafa hanarenana azy. Ny alakamisy manokana ho an’ny eny an-toerana dia “cabaret” no ezahina hatolotra ny mpanjifa. Tahaka izany ihany koa ny Le Pharaon Ambohidahy izay zara raha nisy olona ka lasa mirohotra amin’ny fanaovana cabaret. Raha ny vaovao farany dia mikasa ny hikarakara “karaoke” ihany koa ny eny an-toerana ankoatra izany. Tsy fantatra intsony moa hoe inona marina ity toerana ity satria dia miovaova araka izay zavatra hitan’ny mpikarakara ny eny ka mbetika “clubbin”, indraindray “cabaret” ka tsy hifankahitana intsony. Ho an’ny “Le 6” manokana kosa dia tsikaritra fa izy amin’izao fotoana no boaty manintona ny olona indrindra. Raha ny fanazavan’ny tanora sasany dia ny fomba fanaingoana ny eny an-toerana sy ny zavatra atolotra ny mpanjifa no mahatamana azy ireo. Toerana manaja ny fisavana karatra ho an’ny tanora rahateo ny “Le 6” Antaninarenina raha oharina amin’ireo toeram-pandihizana sasany izay tsy tonga saina amin’izany akory fa faly mampidi-bola fotsiny ka tsy manara-dalàna.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.