Loisirs

Tsapikin’i Damily Naseho vahoaka maimaimpoana tao amin’ny “Jardin de la mer”


  • Talata 20 Mey 2014

Vory lanona tao amin’ny kianja malalaky ny “Jardin de la mer” amoron-driaka, ny mponin’i Toliara mpankafy gadona Tsapiky ny sabotsy tolakandro teo.

 Niverina an-tanindrazana ilay mpihira malaza Damily (prince de Tsapiky) rehefa nanorim-ponenana nanomboka ny taona 2004 tany ivelany. Tamin’ny fiverenany tao Toliara izao, dia nisy ny fampisehoana maimaimpoana niavaka natolotr’ity mpanakanto ity vokatry ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny “Alliance Française”, ho fampialana voly tsy andoavam-bola ho an’ny vahoakan’i Toliara sy Atsimo Andrefana. Feno hipoka nifanitsa-kitro ny tao amin’ny kianja “Marimar”, na dia nanondrana indray aza ny Jirama tamin’ny fahatapahan-jiro lava. Tsy mbola afa-bela ny delestazy e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT