Nohararaotin’ny Tropy Jeannette ny datin’ny 02 aprily tsingerin-taona ahatsiarovana ny faha-120 taona nahaterahan’Andrianary Ratianarivo ny fanombohan’ny fampirantiana ny an-tsary ny tantaran’ny tropy hatramin’izay niforonany ka hatramin’izao.
Etsy amin’ny efitrano Gisèle Rabesahala etsy amin’ny tranobokim-pirenena Ampefiloha no hanatanterahana an’ity fampisehoana ity hatramin’ny alarobia7 aprily izao. Hisongadina kosa ny amin’ny andron’ny sabotsy izay mba hijeren’ny tarika an’ireo hiangaly ny hira noforonin’Andrianary Ratianarivo an-tsehatra ao amin’ny tranombokim-pirenena ihany. Homarihina ao amin’ity hetsika ity koa ny faha-100 taona nahaterahan'i Charles Ravaloson ary faha-90 taona nahaterahan'Atoa Andriambala Joseph izay samy nitarika ny tropy. Mba fanirianay, hoy i Mbato zanaka mpandimby ankehitriny ary filoha am-perinasan’ny fikambanan’ny mpanao teatra malagasy ny hananana trano fampisehoana teatra vaovao fa efa tsy azo anaovana izany intsony noho ny antony samihafa ny tranompokonolona Isotry. Nanome voninahitra ny fanokafana omaly ny minisitra tompon’andraikitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.