Karazam-boninkazo an-jatony no hamidy sy hampirantiana etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy omaly.
Hiarahana amin’ireo mpamboly sy mpikarakara voninkazo matihanina ao anatin’ny fikambanana ceinture verte izany tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny izay homarihina ny alahady 31 mey ho avy izao. “Hotahiana anie i Neny” no lohahevitra hampitondraina ny hetsika, ahitana ny karazam-boninkazo mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny rehetra manomboka amin’ny tsotra indrindra ka hatramin’ireo orchidée sy anthirium maro loko ary ny karazan-kazo bonsai. Ny sabotsy manokana dia hisy ny fampianarana mamboly voninkazo maimaimpoana entina hanomezana fahafaham-po ny renim-pianakaviana rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.