Loisirs

Tovo J’hay Nampiala voly an-kira ny tanoran’i Tolagnaro


  • Talata 11 Mey 2010


Nanao fampisehoana tany Tolagnaro namaly ny antson’ny mpankafy azy any an-toerana i Tovo J’hay ny tolakandron’ny sabotsy teo. Nisafidy ny tokotany malalaky ny Restaurant La Vanille ny mpikarakara ny fampisehoana tao an-toerana, nahafahana nampihaona mivantana an’i Tovo J’Hay sy ny mpandala ny mozika RnB ao Tolagnaro. Vory maro ny olona, izay saika tanora sy mpianatra ny ankamaroany. Voarain’ny mpijery tsara ny mozika nentiny na dia malaza amin’ny mangaliba sy ny dombolo aza iny faritra iny. Voaporofo tamin’io seho io fa ny mozika dia tsy manana fefy na ara-jeografia na ara-pitenenana fa dia natao ho an’ny daholobe. Nampanantena i Tovo J’Hay fa santatra ambavarano ihany iny seho tamin’ny sabotsy iny fa ny manetsabe mbola ho avy. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT