Fotoan-dehibe ary hiavaka ny eny an-kianjan’ny 13 mey ho an’ny andron’ny anio, araka ny fanampanantenana nataon’ny depioten’ny fanovana teny an-kianja omaly.
Feno roa volana katroka anio sabotsy rahateo ny tolona eny amin’ny 13 mey, ka tsy havela handalo fotsiny izany. Samy miandry izay hambara ho an’ny andron’ny anio ny vahoaka sy ny sendika izay tonga maro be hatrany eny an-kianja. Tsipy teny nataon’ny depiote Ramandimbisoa Félix ny andron’ny 20 jona lasa teo ny hoe ireo minisitra antsika ireo (minisitry avy amin’ny Tiako I Madagasikara), dia miasa ho antsika ary tsy manadino. Miray fo aminay ary tsy miala amin’ny solombavambahoaka eto amin’ny fanovana, fa aoka hazava, hoy izy. Isan’ny fitakiana natao ny fisokafan’ny Tiko, MBS, ka tsy hay na hisy hifanraisany amin’izany ny fanambarana lehibe anio. Nisy moa omaly ny karazana hetsika hatao handravana ny tolona, ka nilazan’ny depiote voafidy teny Antsimondrano Voahangy Raharimanarivo, fa olona nokaramaina ireo olona manohitra ny fihetsiketsehana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ny andron’ny alarobia teo ny fanambaran’ny vondrona politika Malagasy miaro ny ara-dalàna izay nanao fanambarana, fa hitarika vahoaka eny an-dalambe eny amin’ny kianja fanaovam-baolina eny Ankorondrano hanoherana ny tolon’ny 13 mey satria nambara fa efa 90% tamin’ny fitakiana no nivaly saingy tsy nisy akony sy tsy nahazaka vahoaka. Tsy miato ny tolona raha tsy tratra, dia ny fialan’ireo minisitra HVM, fandravana ny CENI hisian’ny fifidianana madio, ny fanesorana ny Lehiben’ny faritra ampiasain’ny HVM, fivalian’ny fitakian’ny sendika maro,… Anio sabotsy mifankahita, hoy ny hafatra sy fanentanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.