THB Tour 2013

> Hahazo tombony i Mahajanga sy Ambatolampy


  • Alarobia 14 Aogositra 2013

Hanao poa-droa ny THB Tour amin'ity vakansy lehibe ity.

Hisantatra izany ny ao Ambatolampy izay hotanterahina ny 17 sy ny 18 aogositra ho avy izao iza hifanindran-dalana indrindra amin'ny Fetin'ny mimôza. Hanafana ny lanonana ny tarika Lôla hotronin'ireo mpihita gasy malaza toa an-dRamilison Fenoarivo. Tsy latsa-danja amin'izany ny ao an-drenivohitr'i Boeny izay hotanterahina manomboka ny 30 aogositra ka hatramin'ny fiandohan'ny volana septambra. Eny amin'ny bord no hanatontosana izany ary maimaimpoana. Hisy ny fanentanana hiarahana amin-dry Fou Hehy, ny fifaninanana hatsaran-tarehy ho an'ny tovovavy ankoatra ny fifaninana karaoke izay hahazoana loka maro. Ny tanjona moa araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra ihany dia entina hanomezan-danja ny hasarobidin'ny fialan-tsasatra eo amin'ny tsirairay mba hahafahana tena miala voly tokoa

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT