Mankalaza ny faha-18 taona nisiany ny tarika Zay. Fampisehoana goavana hotanterahin’izy ireo etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no hanokafany izany ny alahady 16 novambra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora sy 18 minitra tolakandro
Haharitra ora telo eo ho eo ny fampisehoana, horavahin’ny hira am-polony maro izay efa nahafantarana azy ireo hatramin’izay. Hampiavaka ny fampisehoana ny fanaovana azy eo afovoan’ny trano malalaky ny lapan’ny kolontsaina, fihetsika tsy dia be mpanao loatra. Eo ihany koa ny fisian’ireo karazan-java-maneno tena raitra sy vaovao izay vao nentin’ny Mi’Rotsika production tany Eoropa nandritra ny dian’ny taleny Randriamampianina Hery farany teo. Hatramin’ny omaly dia efa kely sisa ny karatra hahafahana mahazo ny famandrihan-toerana raha araka ny fanadihadiana natao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.